Hiavaka noho ny fahita hatramin’izay ny andiany faha-160 amin’ny «Concert classique de midi». Hahazo sehatra ny kalon’ny fahiny sy ny hira malagasy. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny talata 24 jona izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro.
«O! Ralila!», Dobla sento», «Sovenira», «Fitia vao mitsiry»… Anisan’ny hanakoako eny an-toerana ireo hira ireo mandritra ny fiakarana an-tsehatra hotontosain’ny tarika Ny Feon’Analamanga. «Concert classique de midi» tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mozika sy ny fetin’ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.
Anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny fananany mpikambana ahitana ny sokajin-taona rehetra sy ny fitazonana fatratra ny momba ireo hira (tonony, feony, fandrindrana, zavamaneno…) velominy eny an-tsehatra. Kalon’ny fahiny, hiran’ny omaly, samy kaloin’ny Ny Feon’Analamanga avokoa. Andrasan’ny mpitia zavakanto fatratra ny famerenan-dry zareo ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa toy ny «Mivalo aminao aho ry tany», «Azafady ramatoa», «Ambarambarao», sns.
HaRy Razafindrakoto




