Nisokatra nanomboka omaly ny “Podium” etsy Analakely. Nanokatra ny andiam-pampisehoana ireo tanora mpanakanto toa an-dry Chantal, L JO, Malm ary i Jazz MMC. Hanohy izany, anio, kosa ry Tempo Gaigy, Simonda, Bekasety ary Arione Joy. Isaky ny hariva ity fampisehoana maimaimpoana ity.
“Festival Art Maro Foko”, eny Ambohipo. Haka endrika fetibe, natao hampivondronana ny mpiara-monina eny an-toerana, ny hetsika ny 21, 22 ary 23 jona izao. “Firaisampo anaty fahasamihafana” rahateo ny lohahevitra hovoizina, ka aseho amin’ny alalan’ny seho kanto maroloko izany.




