Tetikasa “EAGER” : Hamolavola drafitrasa ho fitovian’ny lahy sy vavy

Namafisina ny traikefan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny fanabeazana sy ny mahalahy sy ny mahavavy ao amin’ny Vondrona afrikanina sy ho an’ireo mpiasan’ny Ivontoerana iraisam-pirenena misahana ny fanabeazana zazavavy sy vehivavy aty Afrika Cieffa. Teny Antaninarenina, nandritra ity herinandro ity, no nanatanterahina izany. Nifantoka tamin’ny fananganana drafitra momba ny fanabeazana mikendry manokana ny mahalahy sy ny mahavavy (Gresp) ny asa. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa « East Afrika Girls Empowerment and Resi­lience» izay hetsika lehibe ataon’ny Vondrona afrikanina tanterahin’ny Cieffa ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola sy iaraha-miasa amin’ny Unesco – IIEP.
Tanjona ny hanamafisana ny fahatakarana ny fotokevitra fototra momba ny mahalahy sy ny mahavavy ampiharina amin’ny fanabeazana. Eo koa ny fanofanana ny mpandray anjara amin’ny famakafakana ny tsy fitovian’ny lahy sy ny vavy, avy amin’ny angona fanabeazana. Miampy ny fanatsarana ny fahaiza-ma­naon’izy ireo amin’ny famolavolana. Manampy ireo ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny politika fanabeazana mandray tsara ny mahalahy sy vavy. Mikendry ny hanohana ny famolavolana drafitra nasionaly mampiditra ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ihany koa ny atrikasa.
30 ireo delegasionina avy amin’ny firenena 15 mpikambana ao anatin’ny Vondrona afrikanina nandray manjara amin’ity atrikasa ity. Nisolo tena an’i Madagasikara ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Mponina.

Vonjy

Partager sur: