Nampivarahontsana ny trangana famosaviana sy fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tato ho ato. Namoizana ain’olona maro izany ka lasa mampikorontana ny sain’ny mpanara-baovao. Mitondra fanazavana ny fomba fandraisana an-tanana ireo marary tonga ao amin’ny Sampana vonjy voina tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny dokotera Rakotonindriana Christ
Voalohany indrindra dia ny fanavotana ny ain’ny olona no tena ataon’ny dokotera ao amin’ny Sampana vonjy aina. Ny aina no ambony indrindra ary atao izay tsy hahafaty ilay olona, araka ny fanazavan’ny Dr Rakotonindriana Christian. Aorian’izay ny fitadiavana ny poizina nahatonga ny aretina.
Rehefa haingana be ny fisehon’ny aretina ary voaray an-tanana haingana ilay olona dia voavonjy ny ainy ary tsy tonga amin’ny tranga misy fahasarotana. Rehefa ela ny fitrangan’aretina, ela toy izay koa vao raisin’ny dokotera an-tanana ny marary, dia atahorana haningotra ny aina mihitsy ny fanapoizinana satria manomboka potika ny taova miantoka ny aina.
Tsy miandry fotoana ny fandraisana an-tanana ny marary rehefa tonga ao amin’ny hopitaly. Ny poizina rehefa tonga ao anaty vatana dia manimba tsikelikely ireo taova miantoka ny aina, toy ny fo sy ny lalandra be, ny atidoha, ny avokavoka, ny voa, ny aty… Hatramin’ny fahasimban’ny ra ary dia mety hahazo ilay olona voapoizina. Tsy maintsy atao haingana ny fitsaboana fanakanana ny tsy hahatongavana amin’ny fahasarotana sy ny fahasimban’ny taova saro-pady.
Ny antidote dia fanafody natao hamotika ilay poizina tafiditra anaty vatana. Mandeha an-tanantohatra maro anefa ny fahitana ny antidote satria miankina amin’ny fitiliana sy ny tena fototr’ilay poizina ny fikarohana.
Ny fanaraha-maso sy ny fampidirana ny fanafody hanakanana ny fahavoazana no tsy maintsy atao aloha ka rehefa tonga ny antidote manaraka hoazy.
Rehefa misy olona voapoizina dia manatona hopitaly haingana. Tsy miandry ela raha vao misy mampiahiahy.
Ao amin’ny CHUHJRA sy CHU Befelatanana, Sampana vonjy aina, no tokony hatonina haingana rehefa misy trangana fanapoizinana.
Fanabeazana sy fisorohana
Ho an’ny aro loza sy tandrim-pahasalamana amin’ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo, mizara ny tsara ho fantatra koa ny AFS Smie amin’ny fampahafantarana sy fanabeazana ary fisorohana.
Ny fahapoizinana na fanapoizinana ara-tsakafo dia vokatry ny fihinanana sakafo misy mikraoba, poizina, loto na “métaux lourds” toy ny “plomb” na “mercure” ao anatin’ny sakafo ka lasa miteraka tsy fahasalamana.
Raha tsy voatsabo haingana dia mety hitera-doza ho an’ny fahasalamana, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. Soritraretina mety ho hita: mandoa sy mivalana tampoka, marary kibo, tazo sy aretin’andoha mafy, mety ho fanina ny marary, reraka, sempotra… Ao anatin’ny ora 6 hatramin’ny 24 ny trangan’aretina.
Raha toa ka tsy fanapoizinana ara-tsakafo tsotra fa mety ho famosaviana na vorika mihitsy no mitranga dia mety mandoa misy ra ilay voapoizina. Vaky ra ny vavony na misy fery tena ratsy. Tsy mahatsiaro tena, mifanintona, fanina be, mirediredy na mahita zavatra mampatahotra azy ilay marary. Mety hiakatra be ihany koa ny maripana, >39° C, heverina ny hisian’ny infection bactérienne na septicemia. Haingana be ny fitrangan’ny soritraretina mety ho ao anatin’ny 30 minitra hatramin’ny adiny roa ny fanapoizinana. Tonga any amin’ny fahasimban’ny taova (fivontosan’ny tarehy, ranjo, hoditra miha mavo, fahasemporana be) rehefa famosaviana mahery vaika no miseho.
Tsy manao dokotera tena
Vantany vao misy ny tranga mampiahiahy dia atsahatra avy hatrany ny fihinanana ireo sakafo ahiahiana. Avela handoa na hivalana ny marary hamoaka ny loto sy ny poizina ao anatiny. Tsy tokony ho sakanana na omena fanafody mampijanona fivalanana ary tsy terena ihany koa. Tsy tokony hihinana fanafody raha tsy avy amin’ny mpitsabo (tsy manao dokotera tena). Omena rano tsikelikely ny marary (tsy atao rano be), avela maka aina.
Tehirizina izay sisa amin’ilay sakafo sy santionan’ny zavatra naloa fa mety ho ilaina amin’ny fanadihadiana.
Manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana akaiky indrindra raha fanapoizinana ara-tsakafo. Raha olona maro no tratra dia mila ampandrenesina ny manam-pahefana ara-pahasalamana.




