Mbola ao anatin’ny volana masina tanteraka ny ao amin’ny Fikambanana silamo malagasy. Izany indrindra no nanaovan’izy ireo ny vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny firenena, tao amin’ny moskea Palestine, 67 Ha. Ho fampisehoana ny fananan’ny Malagasy andraikitra amin’ny fampivoarana sy filaminana eto amin’ny firenena ka hitarika ny vahoaka malagasy rehetra mba hijery ny mahasoan’ny firenena malagasy. «Tsy mahasoa ny korontana misy amin’ny firenena fa ny fampandrosoana ara-tsosialy, ara-toekarena ao anatin’ny fitoniana ka mangataka sy maniry izany ny mpino silamo rehetra manerana ny Nosy» hoy ny filohan’ny Fikambanan’ny silamo malagasy. Anisany mandray anjara amin’ny fampivoarana sy mitondra fampandrosoana goavana eto amin’ny firenena ny finoana Silamo. «Mangataka amin’ny fitondrana mba hanamafy kokoa ny fitodihana amin’Andriamanitra, hipetrahan’ny marina sy ny fahamarinana eto amin’ny tany sy ny firenena», hoy ny filohan’ny fitantanana ny moskea eto Antananarivo.
Ninah (mpianatr’asa)




