Mila fahamailoana: Saro-pady ny fikirakirana sakafo

Ho fisorohana mahomby, tena tandrovana toy ny anakandriamaso ny fahadiovana. Voakasik’izany ny vatana manontolon’ny mpikarakara na ny akanjo hanaovana… Eo koa ny kojakoja ampiasaina ao an-dakozia. Andrahoina tsara ny hena, ny atody sy ny trondro.
Aza averina avaingana ireo sakafo efa natsonika “décongelé”. Ariana avy hatrany ireo boatin-tsakafo efa manomboka mibontsina, misy fofona hafahafa. Tsy afangaro ny sakafo manta sy ny masaka. Toy izany koa ny sakafo sy ny fanafody. Tehirizina amin’ny hatsiaka sahaza azy ny sakafo mora simba. Mila mailo amin’ny sakafo efa nijanona ela ivelan’ny vata fampangatsiahana.
Fadiana ny sakafo matavy sy saro-devonina raha sanatria tratran’ny fanapoizinana. Toraka izany ny sakafo vita amin’ny ronono, izay mety hampitombo ny fivalanana sy ny fandoavana.
Tokony hofadiana mandra-pahasitrana tanteraka ny voankazo marikivy satria mety manaratsy ny fandevonan-kanina.
Sakafo maivana no hohanina ary tsy manao voky loatra. Misotro rano madio matetika na ranom-boankazo tsy marikivy. Koba mora levonina (koba vary, koba katsaka) no hohanina. Tsara ny mihinana legioma, henan’akoho tsara masaka sy tsy misy menaka…

Nanatontosa : Tatiana A

Partager sur: