Tanora manodidina ny 700 000 no miditra amin’ny sehatry ny asa isan-taona. Matetika tsy nandalo fiofanana sahaza ary tsy manana vinavinan’asa akory ny ankamaroany. Mikasa ny hanova izany zava-misy izany ny tetikasa Tafa. Vatsian’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa sy ny asa ara-kolontsaina eo anivon’ny masoivoho frantsay ny fanatanterahana izany. Ny birao iraisam-pirenena misahana ny oniversite sy ny fiteny frantsay manerana an’i Afrika sy ny ranomasimbe Indianina ary ny fikambanana Humanité & Inclusion no manatontosa izany. Mametraka ny fampidirana, ny fanatsarana ny asa matihanina sy ny andraikitra ara-tsosialy ho ivon’ny politikam-panabeazana ny tetikasa Tafa. Anisan’ny fampandrosoana tohanan’ny Fonds équipe France ny tetikasa, noho izy sokajiana ho manana fiantraikany lehibe amin’ny tanora. Hanehoana koa fa mifampiankina ny fampidirana sy ny fampanana asa, izay haharitra roa taona ary mitentina 800 000 euros ny tetibola hamatsiana azy. Tanora eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 25 taona no kendreny, indrindra ny tanora, vehivavy sy ny manana fahasembanana. Faritra efatra no hanatontosana izany : Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo ary Matsiatra Ambony.
Andry telo no hijoroany ka anisany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny alalan’ny fiofanana sy ny fianarana mifandimby. Manamarika ny tetikasa ho an’ity taona ity ny fankalazana ny Andro natokana ho an’ny fahafahana miasa sy ny fampidirana notanterahina tamin’ity herinandro ity.
Vonjy




