Mifanosona ny fety aman-danonana. Volana jona, volan’ny ankizy. Volan’ny teny malagasy. Volana ho an’ny fahaleovantenam-pirenena, fetin’ny mozika, sns. Samy manezaka maneho sy manasongadina izay heverina fa sehatra misy azy ny tsirairay, ny fikambanana, ireo sampandraharaha sy rafitra isan’ambaratonga isan-karazany… Saingy, hatramin’izao, mbola saro-tadiavina ilay maha Malagasy ao anatin’ireny hetsika ireny.
Miainga any amin’ny tranga faran’izay bitika indrindra, miafara any amin’ny hetsika goavana. Tsy maintsy manao ny ankisavasava vao mahita sy maheno fa natao ho an’ny Malagasy ilay izy. Tamin’ny 26 jona 1960 no fantatra fa nitsimohan’ny «podium». Tsy misy teny malagasy mahasolo azy io ? Taty amin’ny taona 1975, nipoitra sy niha natanjaka ny fampiasana ny voambolana « Fetim-pirenena », « Fetin’ny 26 juin », « kermesy », sns.
Nanomboka nibosesika teto Madagasikara ny zavakanto sy ny kolontsaina vahiny. Ny ampaham-potoana lehibe indrindra amin’ny « podium », lasa hanehoana ireny kolontsaina sy zavakanto ary fomba amam-panao vahiny ireny avokoa. Mitampifimpify eny ananona eny ny maha Malagasy. Misy fifaninanana fanorona, hono, ary ananona ary. Ry zareo atsy ananona hono mikarakara adin-kiragasy… Anjorom-bala tanteraka !
Ilay toe-tsaina hoenti-miatrika ny maha Malagasy (teny, tany, fomba, kolontsaina…) no mbola mila ezaka goavana ny fanitsiana azy. Ny fivelarana amin’ny hafa tsy tokony hanariana na hanaratsiana na hampirimpirimana ny an’ny tena.
HaRy Razafindrakoto




