Manosika ny tanora avy amin’ny fianakaviana sahirana hianatra sy hiditra amin’ny sehatry ny asa ny vondron’orinasa Viséo. Mandray mpianatr’asa tsy tapaka izy ireo ary manome vahana ny zatovovavy amin’ny sampana Mécanique auto.
Tao anatin’ny telo taona farany, ny 25% ny fandraisana mpiasa dia avy amin’ireo mpianatr’asa avokoa. Tafiditra ao anatin’ny politika fiahiana ny mpiara-belona (RSE) ho an’ity vondrona ity ny fanohanana sosialy sy ny fahafahan’ny tanora avy amin’ny fianakaviana marefo misitraka asa. Nanao sonia fiaraha-miasa miaraka amin’ny fikambanana efatra ny tale misahana ny mpiasa ao amin’ny vondrona, Randrianarisoa Tovo Aina. Fototr’izany ny fandraisana zatovovavy hianatra asa eo anivon’ny orinasa ao anatin’ny Service après vente. Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa. Arakaraka ny toerana misy no handraisana ny tanora hianatra asa ary mety ho voaray ho isan’ny mpiasa maharitra avy eo. Ho an’ny Meca Mama, izay manofana zatovovavy amin’ny fikirakirana ny Mécanique auto-moto, 25 ny vehivavy hofaniny ka ny fito amin’ireo no hianatra asa hanao fampiharana teknika eo anivon’ny orinasa anatin’ny vondrona Viséo. Enim-bolana ny faharetan’ny fianarana asa fampiharana hanampy amin’ny fahatokisan-tenan’ny mpianatra.
ONG misehatra amin’ny fanofanana tanora avy amin’ny faritra iva ny CDAndohatapenaka. Lalam-piofanana fito no atolotra ny tanora. Sady misy lesona ka eny anivon’ny orinasan’ny vondrona no hanaovana fampiharana avy eo.
Ho an’ny Graines de bitume, mikarakara tanora 150, zava-dehibe ny fanohanana azy ireo hiomana hiditra amin’ny sehatry ny asa ka hisy tomponandraikitra avy amin’ny vondrona hanampy momba izany. Hirotsaka hianatra asa arakaraka ny lalam-piofanana sy ny fahalalany koa ny tanora sasany. Miara-miasa amin’ny fikambanana 14 ny ONG manao tantsoroka ny tanora ary mitady fianarana asa ho azy ireo hanamora ny fidirana
amin’ny tontolon’ny asa. Fikambanana miasa ho an’ny fizakan-tenan’ny vehivavy ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny La plateforme, izay manofana vehivavy amin’ny asa heverina fa natokana ho an’ny lehilahy hatramin’izay.
Vonjy




