« Festisôva » andiany fahavalo: nibata ny amboara ry Akon’ny fanantenana Tsiadana

Miakatra ny tanora mpandimby. Zavakanto miaina, mivoatra kanefa mitana ny fototra ny sôvan’Antananarivo, izay mbola tohizan’ireo tarika maro. Nanotrona, nomem-boninahitra ary nanome tsodrano kosa ireo zoky nitari-dalana ny sôvan’Antananarivo.

Naresaka Andraisoro, ny sabotsy lasa teo. Vory lanona ary nila tsy hisy nodiavina ny kianja basikety teny an-toerana, nandray ny «Festisôva» andiany fahavalo. Araka ny anarany, hetsika ha­nandratana ny vakisôva izy ity, izay nivelatra be tamin’ity taona ity. Notanana ny fototra, dia ny fifaninanana eo amin’ireo tropy mpisôva, efa teo hatramin’izay. Taorian’ny fifaninanana, nibata ny laharana voalohany ny Akon’ ny Fanan­tenana avy eny Tsia­dana. Efa zaza mandimby ireo zokibe nivoy ny vakisôva ao amin’ny Akon’ny Fananate­nana. La­harana faharoa kosa ny Fi­tarikandro avy etsy Tsia­dana ary fahatelo ny Sôvan’i Tanjombato.
Nampiavaka indrindra ny hetsika izay fanomezana se­hatra ireo tanora mpivoy ny vakisôva izay. Saika zanak’ireo mpisôva taloha ihany ireo, mamelomaso indray ity zavakanto ity. Nahazo ny tsodrano avy amin’ireo zoky namaky lay izany « gazety an-kira » araka ny famaritan’izy ireo azy izany.
Nitsodrano ireo zandry nampitana fanilo ireo zokiolona mpanao sôva, izay nomena solombodiakoho ho fanomezam-boninahitra ihany koa. Anisan’ireny ry Gama (Jomak’ Ampa­ma), Razily (Black connection Andrano­manalina), Myriam Sangam (Tsiazompa­niry), Tratreva (tarika Tratreva). Tsy Tonga fa tsy Salama i Zokibe Kotozafy (Tsiadana) sy Rabeza (Fanjan’Anjanahary).
Tsy nivaona tamin’ny lalan-tsaina nifampitana ny sôvan’ Anta­nanarivo, raha notarafina tamin’ny sanganasan’ireo tropy nifaninanana. Mitoetra hatrany ny maha fampitam-baovao eny anivon’ny fiarhamonina ny sôva, ny maha fampitan-kafatra, satria nisy lohahevitra nitondrana azy, dia ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny herisetra. «Feno tsara ireo to­nonkiran’ny tropy tsirairay. No-tsaraina koa ny gadona, fisehatra, fitafy, sns. Ety dia ety ny elanelana teo amin’ireo mpifaninana, izay mahavelom-bolo satria midika izany fa tafita any amin’ireo tanora mpisôva ilay lalan-tsaina », hoy ny nambaran’ny mpitsara iray, sady solontenan’ny fikambanana Tambo­hobe, mpikararakara ny hetsika hatramin’izany.
Tsy vakisôva ihany, fa ni­ara-dalana nandritra ity «Festi­sôva» andiany fahavalo ity ihany koa ny hira ara-pilazan­tsara, nanokatra ny fotoana ny maraina. Nifandimby an-tsehatra ireo antoko mpihira manodidina an’Andraisoro. Teo koa ny fifaninanana dihy «afro beat» sy ny fanorona. Nitondra ny anja­rany ihany koa ireo mpamelona tantara an’onjampeo avy amin’ ny Faribolana San­dra­tra izay nampiaina nivantana izany. Ny fampisehoan’i Onja Tinondia no namaranana ny fotoana.

Zo ny Aina

Partager sur: