Hetsika vory olona, anaty filaminana. Nanodidina ny 40 000 teo ho eo ireo tonga nifety nandritra ny hateloana. Anisan’ ny fanamby voalohany napetraky ny Star io, tamin’ny « Star Tour Tanà 2025 », izay nifarana omaly. Tontosa ny fanamby, satria dia nizotra tsara ny hetsika nandritra ny hateloana, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny faran’ny herinandro teo. Mbola nametraka indray ny maha izy azy ny tarika AmbondronA, ny alin’ny zoma lasa teo. Toy ny mahazatra, hipoka mpankafy ny kianja, efa niandry mialoha an-dry Ra Kix sy ny tariny. Nialoha lalana an-dry zalahy i Skaiz, nanolotra seho feno fahamatorana, araka ny nandrasan’ireo mpankafy azy.
Andro faharoa, nanokatra ny andiam-pampisehoana i Lion Hill. Hain’ny mpankafy avokoa ireo hira nalahatra, nanaporofo ny anton’ny nisafidianan’ny mpikarakara azy. Na dia nisy lavaka elaela aza noho ny fahataran’ny fiakarana an-tsehatr’i Samoëla, feno tamin’ireo kilalao nanomezana loka ireo nanatrika izany. Mazava loatra fa tsy nidina intsony ny hafananana nandritra ny sehon’i Samoëla.
Maro kokoa ireo tanora ny andro fahatelo farany, omaly. Mazava ny antony fa mpankafy an-dry Tsota, LJo ary Basta Lion izy ireo. Avy hatrany dia nanesy ireo hirany malaza rahateo ireto tarika ireto, nelanelanin’ny fanentanana nentin’i Eric Fou Hehy sy i Teg.
Lanonam-pianakaviana, satria nahitana ihany koa karazan-dalao isan-karazany ny «Star Tour Tanà». Nisy koa ny «espace pression», natokana ho an’ireo mankafy izany, izay nentanin’i Bahrone sy i Legar, niaraka tamin’ireo mpikosoka kapilan’ny «Star Tour» : Dj looping, Raerz ary Three T. Anisan’ny vokatra nalaza indrindra tamin’ity ny «Labieran’ny Fahaleovantena», vokatra manokana izay mandalo amin’izao.
Zo ny Aina




