Samy mitandrina

Mahoraka manerana an’izao tontolo izao ny fifampidarohana baomba ataon’ny samy vazaha. Mifampitady hatrany ny iranianina sy ny israelianina. Niaraha-nahita fa niditra ihany koa ny Be kintana. Efa mandrahona ny hanao tambabe ny tatsinanana rehetra. Mbola mizarazara kosa ny tandrefana. Manomboka mahita faisana ny sivily, indrindra ny zaza amam-behivavy.
Tsy misy mpiraharaha izay tsy manan-tsiny mamoy ny ainy amin’izao fotoana izao. Samy mitady hirika ny handrombahana fandresena ny tompon’ny hery sy ny fitaovam-piadiana. Tsy mbola milamina akory ny adin’i Ukraine sy i Russie, efa mahoraka sy vaky tanteraka ny an’i Etazonia sy Iran. Ny israelianina sy ny palestinianina moa dia ireny efa iaraha-miaina ny zava-miseho.
Raha zohina akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha, toa mitady hiverina ny ady lehibe nifanaovan’ny tandrefana sy ny tatsinanana. Samy maneho ny heriny, sy miketriketrika ny hampiasana ireo baomba nokleary ananany ny tsirairay. Ny lafiny toekarena sy ny sosialy moa manginy fotsiny, iaraha-mahalala fa mivaralila tanteraka. Ny diplaomasia sy ny politika efa tsy mahavaha olana
Tsy misy firenena eto ambonin’ny tany tsy mandalo fahasahiranana ny mponina ao aminy. Ny vidim-piainana efa mampiteny ny moana. Ny olana arak’asa sy ny seha-pihariana mihitsoka avokoa. Mivadibadika ambony ambany ny zava-miseho, hany ka ny madinika ihany aloha no tena mandray ny kihony.
Manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mila mailo sy malina hatrany ny tsirairay. Tokony hametraka sahady izay mba paikady sy drafitra manandrify ny isan-tokantrano. Raha izao fahasahiranana sedraina izao no mbola hiampy ny voka-dratsin’ny ady dia asa hanao ahoana! Tsy azo tsinontsinoavina anefa fa raha izao no mitohy, tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy na amin’ny tany tsy miady aza.

r.r

Partager sur: