Avy nisehatra tany Antsiranana: nodimandry i Johnny Bass de Madagascar

Maloka indray ny tontolon’ny mozika malagasy. Andrarezin’ny tendry gitara, indrindra ny gitara beso no lavo. Lasa nametraka tantara i Johnny.

Toy ny vara-datsaka ny vaovao, ho an’ireo akaiky azy. Nodimandry omaly maraina Zafimahery Johnny, fantatry maro amin’ny anarana hoe Johnny Bass de Madagas­car. Araka ny fampitam-baovao voaray, avy nanatontosa fampisehoana farany niaraka tamin’
ny tarika Mikea izy ny sabotsy 21 jona teo. Seho tafiditra anatin’ny fanamarihana ny Fetin’ny mozika, izay farany ho an’i Johnny Bass… Teny an-dalana hihazo an’Antananarivo mantsy izy ireo no nihetsika ny aretin’ity mpanakanto ity ary nitarika ny fahafatesany. Efa notaizan’aretina an-taonany maro i Johnny, saingy tsy nanala ilay tsikitsiky teny aminy mihitsy izany.
Mpiangaly ny karazan-gi­tara rehetra i Johnny. Nanana fironanana manokana tamin’ny gitara beso izy, ary anisan’ireo kalaza tamin’izany. Nankafy manokana ny Rock sy blues koa, saingy tsy voafetran’ny gadona izy fa nivelatra be. Tany aminy fiandohan’ny taona 90 tany no na­nomboka nisongadina i Johnny. Tao amin’ny « atelier de musique Cercle-Germano Malagasy » izay nanokatra ny lalany koa. Tao anatin’ny tarika Fangaro, ary avy eo mpikambana tanaty tarika maro hafa i Johnny. Nitety firenena maro niaraka amin’ny tarika Sammy izy. Nanampy mpanakanto maro toa an-dry Tselo­nina, Ralanto, Vahombey, tarika Ny Ainga, Toko Telo, Ingama, Rah-Ckiki, Roova, sns, ihany koa.
Nalain’i Theo Rakotovao handrafitra ny tarika Mikea i Johnny Bass, noho izay talentany efa fantatry ny maro izay. Nahavita niteny firenena maro ihany koa izy ireo, nandritra izay. Mbola niaraka tamin’ny tarika Mikea rahateo ny dian’i Johnny farany. Ny mozika napetrany kosa mitoetra ha­trany, satria namolavola mpan­dimby ihany koa i Johnny Bass.
Samy naneho ny alahelony, indrindra ny fahatsiarovana ilay fahatsorana sy ny talentan’i Johnny Bass de Mada­gas­car, ireo namany mpanao mozika. Nahatsiaro ireo vazivazy fanaony ihany koa…

Zo ny Aina

Partager sur: