Hivalona ny volana jona: tsy mahita mangirana ny teny malagasy

Sehatra vitsy kanefa mafonja. Eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Mbola fanjakan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso tsipelina… Eo amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ny teny vahiny no mampieboebo ny tanora, indrindra fa ny eny an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe… Mbola tena lavitra ny ezaka sy ny asa miandry vao ho tafapaka any amin’ny Malagasy ny fitiavana sy ny fampiasana ny teniny.
Mety misy ny ambadika. Kanefa, tsy tokony hanakana ny ray aman-dreny hiteny sy hampiasa ny tenin-drazana na ny teny malagasy izy ireny. Mila paika mazava sy maharitra ny fampitiavana ny teny malagasy. Tsy ampy intsony ny fampirantiana, ny antsa tononkalo, ny famoahana boky, ireo velakevitra maro samihafa.
Amin’ny lafiny iray, mitavozavoza ny Malagasy? Kanosa ny Malagasy? Voafahan-dalitra ny Malagasy… Tsy manam-piniavana ny hitia ny momba azy ny Malagasy?… Nandaitra ny tetika nampiasain’ny vahiny? Taona 2025, mbola ao anatin’ny vanim-potoana mitady ny very hatrany ny Malagasy? Amin’ny lafiny hafa, efa zatra tarihin-dava ny Malagasy? Miandry tetikasa sy fiofanana vao ho tia ny tenin-drazany? Ireo heverina ho raiamandreny rahateo tsy mahafantatra ny tokony hataony? Matoa maro be tahaka ireo ny fanontaniana. Mbola tsy mahita mangirana ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: