Tsy afa-miala ny vahoaka  

Vita soa aman-tsara ny fety aman-danonana, nanamarihina ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Toy ny isan-taona, nisy hatrany ny zava-baovao manamarika izany. Miezaka rahateo ny hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia Ramalagasy amin’ny endrika ivelany. Tsy miala lavitra ny fitsoky ny rivotra amin’ny jeopolitika maneran-tany kosa amin’ny votoatin’ny hetsika.
Nahafapo aloha ny tolotra sy seho, nenti-nanadinodino ny fahasahiranana. Tsy nataon’ny Filohan’ny Repobli­ka ho ambanin-javatra izay fiombonam-po amin’ny vahoaka izay.  Na inona na inona zava-niseho, tsy natao ifanomezan-tsiny velively ny fanaovana fety. Tantely amam-bahona ny fiainana. Tsy hilaozan’izay fifanjevo­an’ny mangidy sy ny mamy.
Betsaka ny trangam-piarahamonina niseholany teto Madagasikara, andro maromaro nialoha sy nandritra ny asaramanitra. Tsy sanatrian’ny vava midika ho fanaovana tsinontsinona ny maty sy marary na ny tra-doza hafa izany. Ny raharaham-pirenena tsy maintsy hirosoana ary efa manao ny ezaka mifanandrify amin’ireny toe-javatra miiba ireny ny fitondram-panjakana. Misy ny fandraisana andraikitra, tsy takona afenina izany.
Mitohy ny fiainana manomboka anio, mandeha ny asa aman-draharaha fa tsy hoe ” tetezana” akory anio dia hikivalavala. Mitaky fikirizana sy fisikinam-ponitra ny zava-drehetra. Tsy iandrasana mpitondra fanjakana samirery akory fa tsy maintsy mila fahatsapan-tenan’ny tsirairay avy. Tsy misy afaka ny mivoatra sy mandroso raha tsy avy amin’ny faharesen-dahatry ny isam-batan’olona.
Toraka izany ny fiatrehana ireo kazarana voina manafika isan-tokantrano. Tsy ny Filohan’ny Repoblika irery no hatao maty henjika sy tototry ny fankahalana, fa miankina amin’ny isam-baravarana ny fisorohana. Betsaka ny fitandremana azo ialana amin’ny zavatra tsy manjary. Mitaky finiavana anefa izany, mila fahatsapan-tena goavana ihany koa. Na hiezaka tahaka ny inona aza ny mpitondra, rehefa ny vahoaka hoentina no tsy resy lahatra fa izy no tomponandraikitra momba azy dia tsy mitovy amin’ny tsy misy ihany. Ny vahoaka no tompon’ny baolina! Anjarany ny fahaizana milalao.

r.r

Partager sur: