Mety ho zava-baovao, na ho an’ny teratany malagasy aza… Misy sady maro mantsy ireo karazan-dalao sy fanatanjahantena fahiny no miha tsy hita intsony, na niova endrika fa tsy nitohy isan-taranaka. Misy kosa anefa ireo mbola misy manohy, ka miaina sy mivoatra manaraka ny vanim-potoana. Hasongana mandritra ny hetsika “Regards croisés sur les jeux et sports traditionnels”, izay karakaraina sy hotontosaina etsy amin’ny IFM Analakely izany, ny 8 hatramin’ny 10 jolay ho avy izao.
Hifandimby mandritra ny hateloana ny velakevitra, ny fampahafantarana, ny fandefasana horonantsary ary ny fampisehoana. Hizara ny traikefany sy ny voka-pikarohany ireo mpikaroka, mpanakanto, mpanao fanatanjahantena, sns, mandritra izany. Hanokatra ny hetsika, ny 8 jolay, ny fampisehoana “Kijaojao”, izay nakan’ireo mpandihy aingam-panahy tamin’ireo haiady nentim-paharazana nisy teto Madagasikara. Hitohy amin’ny andiana velakevitra izany, ka hotarihin’i Alex Claudio Randriamahefa ny voalohany, mahakasika ny fiarahamonina malagasy tarafina amin’ireo lalao nentim-paharazana. Hizara ny mahakasika ny fototry ny diamanga kosa ny Dr Alain Razakatiana, ny 9 jolay. Harahin’ny fampahafantarana ny diamanga vaovao malagasy, entin’i Parfait Rakotonindriana. Ny 10 jolay no handefasana ilay horonantsary “Domboeza”, notontosain’i Geoffrey Gaspard.
Zo ny Aina




