“Les nuits atypiques”: nisongadina ny tarika Hazolahy

Tsy vaovao amin’ny mozika malagasy ny « Festival Les nuits atypiques ». Hetsika misokatra ho an’ny mozikan’izao tontolo izao, izay mitety tanàna any Sud-Gironde, France. Efa nanomboka ny 4 jona izany, saingy ny 22 jona teo no anja­ran’ny mozika malagasy, izay nosoloan’ny tarika Hazolahy tena. Tsy diso mihitsy ny safidin’ny kaomity mpikarakara, satria nahaliana ireo nanatrika ny sarandra sy ny mangaliba nentin’i Thominot sy ny tariny nandritra ny seho nataony. Fiaraha-miasa amin’ny Saïry Prod, izay manodina ireo Mala­gasy mpanakanto any ivelany rahateo izany, ka efa nisy ny fanomanana araka ny tinady.
Tsy tapitra tamin’iny ny mahakasika ny mozika malagasy, fa mbola hanao velakevitra mahakasika ny angorodao aty Madagasikara i Patrick Lavaud, ny 5 jolay izao. Efa nanao fikarohana mahakasika ny mozika malagasy izy, ary nanangona tahirin-tsary sy tahirim-peo maro momba izany. Efa talen’ny « Festival Les nuits atypiques » ihany koa, ary tena mpan­kafy ny mozika malagasy.

Zo ny Aina

Partager sur: