Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fahatapatapahan-jiro sy rano… Mila fiaretana sy faharetana ny famahana olana? Mba indray mandeha tsy miverina, azo antoka, mahomby, maharitra… Miandry sy manantena ny vahoaka. Tsy inona, ohatra, izay fiaretana fa fahoriana, raha tsy mitera-bokatra ho amin’ny fiainana… lanja miakatra. Mandra-pahoviana? Tsy misy olana tsy azo vahana. Ny tsy fahalavorarian’izany sy ny fahelany no miteraka fahakiviana, fimenomenonana, tsy fahatokisana izay lazaina sy ataon’ny tomponandraikitra. Mila atao izay lazaina, lazaina izay atao. Ilaina hatrany ny fanazavana mitohy tsy hahatapaka ny fifampitokisana.
Fahazakana ny mafy sy sarotra ny hoe fiaretana, fa fitozoana eo amin’ny fotoana kosa ny faharetana, indrindra raha mety ho ela na maharitra izany. Na ahoana na ahoana, misy fetrany ny fiaretana; eny, na ny faharetana aza. Mba tsy ho lava tsy misy farany na mandavantaona. Loza iray, loza roa… Ny toy izany no hararaotin’ny sasany, indrindra ny mpanao politika. Mivadika na avadika ho politika ho azy ny raharaha. Tomponandraikitra tsy mahavaha olana? Mampahory vahoaka, tsy mandray andraikitra… Misy tonga amin’ny fangatahana na fitakiana fametraham-pialana aza ny sasany. Mahavaha olana amin’izay lazaina ho maika ve izany? Resaka tian-katezana ihany…
Mila vahaolana matotra sy mivaingana ny vahoaka. Mba tsy hivadika zavatra hafa ny raharaha. Misy ny miandry kendry tohina fotsiny. Mikoha-maina aza, hono, atao, vao mainka aza misy sery anilahana. Misy milaza fa efa karazan’ny tapi-dalan-kaleha ny mpanohitra amin’izao: fanaratsiana sisa atao, fankahalana… Ambakan’izany ve ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Eo an-tanana ny fahefana, ny enti-manana, ny enti-mihetsika…
R. Nd.




