Faribolana Sandratra – Seho poetika: nampifamatotra aingam-panahy ny « Fanjohy »

Ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Cercle Ger­ma­no-Malagasy Analakely. Seho poetika « Fanjohy » niarahana tamin’i Mampandri­niaina Manitra, Elinivo, Ranöe ary R.Coft. Anisan’ny nisongadina nandritra ity seho nokarakarain’ny Faribolana Sandra­tra ity ny nahatsapana fifandrohizana aingam-panahy teo amin’ireto mpanoratra ireto.
Na samy manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy eo amin’ny tontolon’ny soratra aza, nifanjohy hatrany ireo sanganasana nantsaina teny an-tsehatra. Fifandrohizana tao anatina lohahevitra nifandimby. Anisan’izany ny tontolon’ny fitiavana, ny fiainana andavanandro indrindra fa ny zava-miseho eo amin’ny fahatanorana, sns.
Tsy mitovy ny taona sy ny fotoana nirotsahana teo amin’ny fanoratana. Tsy nahasakana ny fifandrohizana sy fifanjohina teo amin’ny seho poetika akory izany. Azo lazaina ho zandry i Elinivo. Eo antenantenany i Mampandriniaina Ma­nitra sy R.Coft. Zoky sy raiamandreny i Ranöe, fa nirindra sy nifanjohy fatratra ny sanganasan’izy ireo ka nahafahan’ny mpijery nihanoka tao anatin’ny hakanton’ny fifandrohizana. Niavaka rahateo ny ravaka sy ny fandrindrana ny sehatra, hany ka mora ny nampita hafatra ho an’ny mpijery. Nomena endrika toeram-pisotroana zavapisotro ny sehatra malalaky ny Cercle Germano-Malagasy, ka sady misotro izy ireo no miantsa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: