Taom-pianarana 2025-2026 : Ho maro ny sekoly hampianatra kolontsaina malagasy

Tao anatin’ny fanadihadiana natao tamina tomponandraikitry ny sekoly miisa 52 (Antananarivo sy ny manodidina). Ny 49 tamin’ireo no na­nambara fa : « anisan’ny fiovana sy fanatsarana ny sekoly ny hampiditra ny taranja fianarana ny kolontsaina malagasy, amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Sady mahasarika ny tanora no anjara birika amin’ny fiverenana amin’ny fototra no antony hanaovana izany ».
Na izany aza, mbola vitsy amin’ireny mpitantana sekoly ireny ny mahita mpampianatra «azo antoka» amin’ireo ta­ranja vaovao kasainy hampidirina. «Ny fanandroana sy ny fomba amam-panao ary ny zavamaneno malagasy no tena mahasarika anay, saingy, manana mpampianatra afaka hanatanteraka izany ve isika?», hoy ireto tomponandraikitra sy mpi­tantana sekoly ireto.
Fantatra, araka ny fanazavan’izy ireo hatrany, fa « na ny ray aman-dreny aza, efa mangetaheta ny hahaizan’ny za­nany ny momba ny kolon­tsaina malagasy ».
Mbola mety ho olana ihany koa ny fahaiza-mampita fahalalana ananan’ireny olona ma­hafehy ny kolontsaina malagasy ireny. Noho izany, mila hatevenina io fahaizana hoenti-mizara fahalalana io mba tsy ho very maina ny ezaka ataon’ ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly ireo. Ha­tra­min’ izao mantsy, mbola misy ny manana ilay fiheveran-diso ka mametraka hatrany fa « mora sy maivana ary azon’ny rehetra atao ny asa fampianarana » !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: