Tsy miditra lalina intsony  

Araka ny efa fantatry ny vahoaka dia efa any Paris ny delegasionina malagasy hiadisisika momba ny fitantanana ireo Nosy malagasy na ny Iles éparses. Efa mazava iny ny tondrozotra, hirona kokoa any amin’ny fiaraha-mitantana isika. Tsy araka ny tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny hoe fitakiana amin’ny famerenana tanteraka, volana vitsivitsy izay. Manamafy ny fifampiampangana rahateo ny vaovao niely hatry ny omaly.
Nampiaka-peo ireo “nasionalista” ny fizotry ny iraka any ivelany. Milaza ny raimandreny sasany fa efa azon’i Madagasikara ireo nosy fony mbola ny amiraly Ratsiraka Didier no minisitry ny Raharaham-bahiny. Miziriziry amin’izany izy ireo ka manome tsiny hatramin’ny fisafidianana ny ekipa mandrafitra ny mpanao iraka any an-drenivohitr’i France.
Hatreto, tsy hita izay vokatra mivaingana mahakasika ny fitakiana. Samy milalao ny antsimpiriham-baovao tokony ho an’ny vahoaka ireo afaka manao izany. Tsy ampy ny mangarahara fa mamahan-dalitra ny valalabemandry tsy mety mifoha. Iza no tsy nahita ilay vaovao iray milaza fa efa namidin’ny mpitondra teo aloha izay mivadika ho mpanohitra ireo Nosy? Tsy nisy nanao karazana valin-kafatra mahakasika izany. Raha marina izany, midika fa tsisy fanantenana ny fitantanana feno ho an-dRamalagasy. Sarintsarim-pifampiraharana no sisa.
Izay vokatra sy voan-dalana avy any izany efa vita mialoha fa ny filazana ny marina sisa no andrasan’ny besinimaro. Izay ady varotra efa tsy hidiran’ny lamina!

r.r

Partager sur: