Mila mitovy tadindokanga 

 

Hanomboka anio indray ny fitetezam-paritra ataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hitodika ao an-drenivohitr’i Matsiatra Ambony indray ny mason’ny mpanara-baovao manerana ny Nosy. Maromaro ny zava-bita hotokanana. Misy ny ao an-tampon-tanàna, eo ireo any amin’ny tanàna manodidina. Betsaka izy ao, hoy ny tsy mahay manisa!
Manao rodombe any an-toerana ny ekipan’ny mpanatanteraka. Hatao any an-toerana rahateo ny filankevitry ny minisitra mitety faritra. Izany no natao dia ny hanamafisana ilay toky nataon’ny filoham-pirenena fa manakaiky vahoaka izy. Tsy misy toerana ho ankilabao na ho latsa-danja fa hojereny akaiky avokoa.
Mariky ny firaisankinan’ny governemanta rahateo ny bemidina miaraka tahaka izao. Porofo fa mitovy ny tadindokanga, tsy misy ny mamalan-kira. Mampiseho firaisankina sy firaisam-po ny fahefana mpanatanteraka. Anatin’ny ady iarahana hamongorana ny fahantrana izy rehetra. Miara-mirona, miara-miroso mba hampandroso an’i Madagasikara malalantsika ity.
Manao ny ainy tsy ho zavatra rahateo ny mpitondra na eo aza ny singam-bolo manakana ny fanatrarana ny tanjona tokony ho tratrarina. Mitaky fifanohanana amin’ny sokajin’olona rehetra izany. Tsy mahagaga raha manao rodombe any an-toerana ihany koa ny eo anivon’ny mpanao lalàna. Angaredona ho amin’ny tsara, indrindra ho an’ny vahoaka any ifotony ny fahatongavan’izy ireo ao Fianarantsoa. Tsy hanotrona fotsiny ny Filohan’ny Repoblika fa hiady ny tombontsoan’ny tananàny.

 

r.r

Partager sur: