« New York Independant Art Film Festival » : Manohy ny lalany ny « Débout », an’i Felana Rajaonarivelo

Taranja iray anisan’ny nahenoina anarana teratany malagasy vitsivitsy kanefa nahavita zavatra goavana ny sarimihetsika. Mbola manamarina izany ny fahafantarana fa hiatrika sehatra lehibe ilay horonantsary « Débout » an’i Felana Rajaonarivelo.

Manaitra, misongadina, mampihetsi-po… Midi­ka izay fa mipaka ny hafatra anatin’ilay horonantsary « Débout », notontosain’i Felana Rajaonarivelo. Niha­naka vetivety ny lazany, ka anisan’ireo voasokajy handray anjara mandritra ny « New York, Independent Art Film Festival » ity horonantsary ity.
Hetsika goavambe, natao hanasongadinana ny famokarana horonantsary tsy miankina sy misy lohahevitra voizina izany, izay hatao ny 11 sy 12 oktobra izao, any New York. Horonantsary maro maneran-tany no mandray anjara amin’izany, izay mirona amina lohahevitra marolafy, saingy mivoy adisisika ho an’ny fiarahamonina.

Vao tetikasa fotsiny dia efa voasoritra ny lalan’ny « Dé­bout »: ho mpitondra ny feon’ny vitsy an’isa mametraka ny toerany eo amin’ny fiarahamonina. Nisafidy ny tantarana vehivavy efatra, manana fahasembanana ara-batana i Felana Rajaonarivelo. Hita­rafana ny andavanandrom-piainan’ireo rehetra miaina toa azy efa-bavy ny horontantsary. Ny fahasarotana sedraina, ny toerana hapetraky ny mpiara-monina, hatramin’ny toe-tsaina enti-miatrika izany. Efa nahazo fankasitrahana roa, ka ny voalohany nandritra ny « Emergence Films Festival » tany Lomé, Togo ary ny faharoa kosa nandritra ny fifanianana « Femme d’impact » ny « Débout », tamin’ny taon-dasa.

Nankasitrahana noho ny ezaka nataony ho an’ny fanasongadinana ireo olona miezaka mioitra amin’ny fiainana na eo aza ny fahasembanana ihany koa ny mpanatontosa Felana Rajaonarivelo. Ny azo antoka dia tsy mijanona hatreo fa mbola ho lava ny lalan’ny « Débout », niarahan’ny Fireflies sy ny Canal+ nanatontosa.

Zo ny Aina

Partager sur: