Sehatra bagasy : Hira miisa 20 handravaka ny « Atrikefa bagasy marolafy »

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny hetsika karakarain’ny Sehatra Ba Gasy. Ny sabotsy 5 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 30 minitra, ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsa­havola no hanatontosana ny « Atrikefa bagasy marolafy ». Hitodika any amin’ny firenena, ho an’ny mpianatra manala fanadinana ary ireo niharam-boina samihafa, ny lohahevitra ankapobeny hoentin’ireo hira 20 hifandimby hokaloina eny an-tsehatra. Izay manam-pahavononana hikalo ireo hira ireo. Samy hanomana izany tsirairay.
Hira homanina hiaraha-mikalo: “Zanahary ô! Tahio” (G Ramiarison), “Nosy tanindrazako” (Naly R), “Harena sarobidy” (Naly R), “Zana-kazo ambolena” (Ratianarivo). Mi­am­­py ny “Fony ianao” (Raza­fimahefa), “Sakaiza fahazaza” (Ratianarivo), “Aza manadino” (Odéam Rakoto). Tsy hadino koa “Ry vorona miatsinanana” (S Rahamefy), “Tanana haolo” (G Ramiarison), “Esory re ry Raiko” (Razafindrazaka), “Mi­va­­lo aminao” (Naka R). ary ny “Tantanonao ry Ray” ( R Ranarivelo), “Lasa tokoa” (A Ratianarivo), “Injay feom-borona” (Naka R), “Ny fahakambotiana” (Rainizanabololona), “Ny voamaintilany” (Rajoro), “Nilentika re “(Naka R), “Han­gina ny kamory” (Rajoro), “Inona no ifandrafirafiana” (Tse­heno). Ankoatra ireo, hisy hatrany ny sehatra malalaka hifanakalozana sy hifampizarana traikefa eo amin’ireo rehetra hanatrika eny an-toerana.
Tokony hamaroina ny hetsika tahaka izao. Antony lehibe, hoentin’ireo tanora na mpanakanto mampitombo ny fahaiza-mihira sy mitendry bagasy, kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: