Canal Olympia Iarivo: Hikatona tanteraka manomboka ny 13 jolay

Enin-taona lasa. Velombolo ny rehetra, indrindra fa ny tontolon’ny zavakanto tahaka ny sarimihetsika, rindrankira an-tsehatra, dihy… Ankehitriny, nanao dia miverina ny fanantenana…

Vaovao mampalahelo ho an’ny tontolon’ny sarimihetsika… Hihena indray ny efitrano fandefasana izany eto Madagasikara, satria dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny Canal Olympia Iarivo eny Andohatapenaka, fa hikatona tanteraka manomboka ny 13 jolay izao. «Ta­fiditra ao anatin’ny politikan’ny vondron’orinasa Vivendi, izay mitantana ny tambajotran’ny Canal Olympia rehetra aty Afrika ny fanapahan-kevitra» hoy ny tomponandraikitra, raha nanontaniana. Midika izany fa tsy ny Canal Olympia Iarivo irery no hikatona, fa ireo sampana 18 misandrahaka aty amin’ireo firenena afrikanina. Efa nialoha lalana nanao fanambarana toy izao koa mantsy ny any Yaoundé, Cameroun.
Enin-taona izao no nisy ny Canal Olympia Iarivo, tantanin’ny Canal Plus Madagascar. Nahavelombolo tamin’izany fotoana, satria efitrano fandefasana sarimihetsika manara-penitra, sy mba nanampy ireo vitsy dia vitsy misy eto Ma­dagasikara izany. Nanokatra be ny tontolon’ny sarimihetsika, satria naharaka ireo vokatra vaovao taty Afrika sy maneran-tany ireo mpankafy. Nisokatra tamin’ny sarimihetsika malagasy koa anefa, ary nampiakatra ny lentan’ny vokatra izany. Tsy vitan’izay, fa nisokatra ho an’ny zavakanto hafa, toa ny fampisehoana hira, dihy, teatra, sns ny toerana. Fanaovana hetsika ofisialy ihany koa, noho izy manana kalitao. Ankoatra ny efitrano, manana toerana malalaka ivelany, nahafahana nandefa sarimihetsika an-tokontany, sy azo nanaovana fampisehoana lehibe toa ny «cine-parking» sy ny «cine-live» koa ao. Miandry izay ho tohiny hampiasana ny toerana ny rehetra.

Zo ny Aina

Partager sur: