TARATRY ny KANTO

Tsy mahay manaja ny Malagasy? Omena zavatra tsara, manimba. Omena toerana « avo », miteniteny foana. Omena fahalalana ambony, manaotao foana… Niova tanteraka ny Malagasy? Io tranga io, angamba, no araraotin’ny sasany hipetrahany eo amin’ny toerana tsy sahaza azy… Tranga maneho tsy fanajana ny hafa ihany koa ny tahaka io fa tsy noho ny ezaka nataony akory. Vokany, zavatra tsy hay sy tsy voafehy no manjary hibitabitahina. Diso sy mivilana any amin’ny tsy tokony ho izy izay lazain’ny vava.
Mbola tsy ampy ny ezaka ataon’ny Malagasy hoenti-mamerina indray ny fitiavany mamaky boky. Ny fiovana hoentin’ny teknôlôjia, tsy ho voasakana. Noho izany, tsy tokony handany fotoana amin’ny fitsikerana azy ireny. Mila manangana trano famakiam-boky maro i Madagasikara. Hatao tanjona ny hisian’izany isaky ny kaominina. Tsy zava-baovao io fa hamafisina ny ezaka efa nataon’ny teo aloha. Hamaroina sy hamoraina ihany koa ny hahazoan’ny Malagasy mividy sy mampiasa boky eo amin’ny sehatra rehetra misy azy.
Lasan-ko vavany tahaka ny haron-tabebaka. Fitiavana ny teny malagasy e! Fiverenana any amin’ny fototra e! Madagasikara an’ny Malagasy e!, sns. Ilay Malagasy milaza na miteny azy ireny indrindra, anefa, no tsy ahitana ezaka mifanitsy amin’ireo ataony. Ny Malagasy mahafantatra an’Andriamanitra eo an-tampon’ny loha… Mbola lavitra ny lalana diavin’ny Malagasy vao ho tafaverina any amin’ny fototra izy raha ny zava-misy.

Partager sur: