« Tsy misy firenena na iray aza ka handroso amin’ny alalan’ny kolontsain’ny hafa ». Io ny fanambarana nivoaka tao amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy fanabeazana. « Eny tompoko », hoy ny Malagasy, saingy…
Saika samy ahitana raiamandreny na mpitarika any amin’ny isan-tsehatra rehetra. Ao an-tokantrano, ireo ray sy reny niteraka. Any amin’ny toeram-piasana, ahitana ireo mpitantana. Any an-tsekoly, misy ireo mpampianatra sy mpitantan-draharaha samihafa, sns. Taorian’ny « mitady ny very ». Voizina mafy indray ny « fiverenana any amin’ny fototra »…
Saingy, mpitari-bato vilam-bava ny ankamaroan’ireny raiamandreny ireny. Tokony ho hita amin-janaka na taranaka, mantsy, fa niainga tany amin’ny fototra ny fanabeazana nomena azy ireny. Fa maninona ny tanora ankehitriny, indrindra fa ny monina eny an-tanan-dehibe no tsy manana na ny ambilombazan’ny fahalalana momba azy aza ? Satria, tsy nomen’ny ray aman-dreny (na raiamandreny) azy ireo izany. Maninona no sahirana mafy ny tanora sasany vao afaka miteny amin’ny tenin-drazany ? Satria, ny ray aman-dreny no nisafidy ny sekoly mampiasa sy miteny amin’ny fiteny vahiny hampidirana ny zanany hianatra. Ireo raiamandreny mba andrandraina hamoaka ny lalàna milaza fa « ny teny malagasy no teny hoentina mampianatra sy manabe », tsy manao izany.
Lova navelan’ny raiamandreny ny hoe : « teraka ho Malagasy, velona ho Malagasy, maty ho Malagasy ». Saingy, tsy io no tanterahin’ireo raiamandreny. Vao teraka, anaram-bahiny no omena ilay zaza. Velona, ampianarina ny tantaran’ny firenen-kafa. Ampahalalaina ny olo-malazan’ny tany hafa. Nodimadry, mbola omena vahana ihany ny fombam-bahiny, sns. Mpitari-bato vilam-bava ny raiamandreny (ray aman-dreny).
… Anisan’ny maika ho fanarenana ny tranga tahaka ireo, sady fiverenana any amin’ny fototra rahateo. Fampahatsiahivana ny raiamandreny (ray aman-dreny) fa « Malagasy izy ary azy ny momba an’i Madagasikara iray manontolo (teny, tany, fomba amam-panao, …). Noho izany, tokony ho mendrika sy sahaza izany ny ataony rehetra ».
HaRy Razafindrakoto




