Trangam-piarahamonina miiba maro no mikapoka ny Malagasy amin’izao: loza, fahasahiranana ara-bola, aretina samihafa hatramin’ny ara-panahy aza toa mivaralila andro aman’alina. Tsy hita intsony izay hanaovana azy fa mivadika ambony ambany. Tsy mahagaga raha tonga hatrany amin’ny fifamosaviana sy fahapoizinana mivantana. Tena hoe mihamaizina ara-bakiteny ny zava-misy.
Tsy natao ho antony tsy hivoarana anefa izany fa entina mampisaina antsika vahoaka malagasy mihitsy. Tompon’antoka feno amin’izay zava-misy isika isam-batan’olona. Tsy afaka ny miala ilany na hanilika andraikitra fa matoa midofotra dia efa izy izay. Midika izany fa miainga amin’ny finiavan’ny olon-drehetra ihany ny fanokafana ny varavaran’ny fandrosoana. Tsy afa-miala amin’izay zotra izay ireo manam-pikasana ny hihoatra sy hivoatra amin’ny fiainany.
Saro-pady sy tsy azo tsinontsinoavina ny ezaka manokana. Tsy maintsy mijoro sy misikim-ponitra ary mifehy tena fa raha tsy izany dia mandrora mitsilany ihany. Tsy misy andraso andraso azo leferina izany intsony. Izay mihenahena dia ifoteran’ny ataony eo ihany. Tsy maintsy mifampiankina ny ezaky ny olona tsirairay sy ny ataon’ny fanjakana. Mora ny manome tsiny any anaty tsy fahombiazana. Tsara kokoa anefa ny manarina sy mamadika ireny ho tombontsoan’ny tena manokana.
Tsy misy natao ho resy, tsy misy tokony ho very ny olombelona amin’ny ankapobeny. Na faharesena na fahombiazana dia miankina amin’ny ezaky ny tsirairay avokoa. Safidy rahateo ny te ho tafita na tsia. Izay tsy manam-piniavana ihany no kofona mialoha ny fotoana. Tsy misy tafita raha tsy manao ezaka manokana sy misikim-ponitra handresy ny tsy fahombiazana.
r.r




