Mahamenatra

 

Iaraha-mahalala sy miaina ny zava-misy eto Madagasikara, ankehitriny. Manjaka ny ratsy sy ny fifamonoana. Tsy misy andro iray ka mba hanginana sy tsy andrenesana zava-dratsy. Samy mampiaka-peo, milaza azy ho tompon’ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny avokoa izay manao fanambarana. Izay mivoaka na miditra dia milaza fa manameloka. Tsy misy aloha hatreto ny tomponandraikitra ambony voalaza ho ao ambadika.
Toy ny mahazatra, mijanona eny anelanelany ny fanadihadiana sy ny fanaovana famotorana. Tsy misy trondro lehibe tafiditra anatin’ny harato izany aloha, hatreto. Ekena fa misy ny ezaka vita na kely aza. Efa misy ny vokatra mba mampilamindamin-tsaina ny Malagasy. Mbola mitaky ezaka goavana anefa ny zava-drehetra. Lesoka rahateo ny fanafinafenan-javatra sy ny figiazana vaovao. Mihanona amin’ny honohono sy izay tian’ny mpitondra zaraina.
Hitondrana teny manokana anio aloha ny fampitaovana ny mpitandro filaminana eto Madagasikara. Mahavariana fa ny fiara sy ny moto no mahamaika fa ny tena ilain’ny mponina zary an-jorom-bala. Aiza eto ambonin’ny tany no misy polisy siantifika tsy manana fitaovana na hijerena lavotondro aza. Fombafomba fotsiny ny fakana ireny, rehefa manamboatra karapanondrom-pirenena. Tsy misy akory ny fitehirizana izany.
Amin’izao faty olona etsy sy eroa izao no fotoana tokony hijoroan’ny mpitondra mba hitady izay fitaovana azo ampiasaina. Tena ilaina ny fitaovana fitiliana sy ny fanamarinana ireo porofo materialy voaangona, mandritra ny fitiliana ifotony. Na ny aro tanana sy ny arovava orona aza tsy ananan’ny polisy malagasy. Mainka fa ny fitiliana ny bala na antsy, na ireo fitaovana hafa nampiasain’ny olon-dratsy. Mahamenatra! Tsy ifanomezan-tsiny fa andrasana ny fanavaozana.

r.r

Partager sur: