Ambatomena Fianarantsoa : Nahazo Coliseum mahazaka mpijery 30 000 isa

Faharoa eto Madagasikara. Toerana fanaovan-danonana lehibe indrindra ao Matsiatra Ambony ny Coliseum ao Ambatomena.

«Akory aby ». Hira nentin’ny tarika Jedy teny an-tsehatra no niarahabana ny rehetra tonga tao amin’ny Coli­seum vaovao tao Amba­to­mena Fianarantsoa, omaly. Fotoana nidiran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tao amin’ity toeram-pilanonana goavana indrindra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ity. Nanome voninahitra sy nitokana ary nanolotra ny toerana ny filoha sy ireo manam-pahefana rehetra niaraka taminy.
« Efa tamin’ny Repoblika voalohany no nokasaina ha­na­ovana tetikasa teto, saingy tsy tanteraka. Mendrika hanana coliseum i Fiana­rantsoa. Mahazaka 30 000 isa izy ity, izay azo hanaovana fampisehoana sy hetsika maro samihafa, toa ny ara-pilazantsara. Tsy azo kosehina anaty tantara izao», hoy ny filoham-pirenena nandritra ny kabariny.
«Andro manan-tantara ny 4 jolay 2025, satria dia tapitra hatreo ny fitadiavana toerana lehibe hanaovana fampi­sehoana », hoy ny governo­ran’ny faritra Matsiatra Ambony, Razafindrafito Lova Narivelo.
« Fandresen’i Fianaran­tsoa izao », hoy kosa i Agrad, anisan’ireo mpanakanto nankafizin’ireo mpijery maro. Anisan’ireo nitantatra ny sehatry ny Coliseum izy, niaraka tamin-dry Oladad, Baba Raprosy, Naël, sns. Miandry kely ny fisokafan’ny Coliseum ho an’ny mpikarakara hetsika sy ireo mpanakanto, satria mbola misy ny famaranana ny asa.

Zo ny Aina

Partager sur: