Talohan’ny taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Niboiboika ireo asasoratra (asa soratra) mitaky an-kolaka na mivantana ny fahafahan’i Madagasikara. Teo anelanelan’ny taona 1960 ka hatramin’ny taona 1972, nifanaretsaka ny asasoratra mampirisika ny Malagasy hitaky ny hiainana ny maha Malagasy azy. Satria, mbola mahatsiaro fa afaka amin’ny ampahany. Mbola nahatsapa fa natao an-jorom-bala tamin’ny fitantanana an’i Madagasikara ny Malagasy. Taona 1975, nanakoako ireo asasoratra maneho sy manindraindra ny « vahoaka »…
Amin’izao vanim-potoana izao. Nitombo maro ny isan’ny mpanoratra… Nitombo nanaraka izany ihany koa ny lohahevitra, saingy, mbola ny tontolon’ny fitiavana ihany no maro manoratra. Saika fitiavan’olon-droa, lahy sy vavy, no hiompanan’ny asasoratra indrindra fa ny sanganasan’ireo tanora. Somary takona ihany ny fiainam-piarahamonina.
… Tranga mety azo hadika ho fanaovana ambanin-javatra ny fiainan’ny olona ve ny tahaka io ? Sa maneho fa be fitiavana kokoa ny tanora ankehitriny raha oharina amin’ny teo aloha ?
HaRy Razafindrakoto




