Soatoavina malagasy : Mitady ho very hasina ny anti-panahy

Fandrosoana ? Fanara­hana ny toetrandro sy ny rivotra mitsoka maneran-tany?… Saika tsy manalavitra ireo ny valinteny rehefa manontany momba ny fahaverezan-kasin’ireo antim-panahy. Teo amin’ny soatoavina malagasy. Io sokajin-taona io no azo antoka indrindra ao anatin’ny fiarahamonina sady filan-kevitra, mananatra, mitahiry ny tadidy vava sy ny lovan-tsofina, mitarika eo amin’ny tontolo ara-panahy sy vatana…
Amin’izao vanim-potoana izao, tsy fantatry ny Malagasy ny fisian’ireo anti-panahy ao anatin’ny fiarahamonina. Tsy omeny lanja intsony, satria, na ny fisiany aza tsy fantatry ny Malagasy. Olona anti-panahy nodimbiasan’ny be vola, be sandry, manam-pahaizana, be vava, sns. Ny anti-panahy, mitady hosongonan’ireo mitonon-tena ho « coach » na ireo napetraky ny mari-pahaizana ananany ho « coach » na mpitarika amina sehatra iray na maro.
Mitady ho very hasina ny anti-panahy noho ny tsy fahitana loatra intsony ny asa aman’adidy iandraiketany sy ny adidy tokony ho efainy. Tanora mbola tena erotrerony no mikabary, manoro hevitra ny amin’izay hiatrehina ny fiainana, manandro momba ny fasana, mamaha olana amin’ny sikidy…
Fa nankaiza ny antim-panahy ? Ao ny tofoka mahita ny tena zava-misy marina iainan’ny fiarahamonina. Tsy vitsy ireo nisafidy ny hangina satria tsy te hananatra na hiteny ny taranaka aty aoriana noho ny fahaverezan’ny fahendrena ankehitriny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: