TARATRY ny KANTO

« Kôzy tolo-tanana », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hatao ny alahady 6 Jolay izao ity hetsika fanehoana firaisankinan’ny mpanakanto ity, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Silo, Olo Blacky, Jah Roots, Naday, Rebl & H Man, sns. Ny Jamerla Koonaktion no mikarakara ny hetsika.

Ady hiragasy goavana, rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha. Hifanandrina amin’izany ry Razafimahandry Sahavato Be sy ry Zaza navelan’i Faralahy Remond Ambatoantrano, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ny federasion’ny mpihiragasy eto Madagasikara no mikarakara ny hetsika.

Hazel, ao amin’ny No Comment Bar Isoraka, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Ny Indie rock no voiziny, izay na somary vaovao amin’ny maro aza, efa be mpankafy ihany koa. Mozika mavesatra kokoa, mora mampiakatra ny hafanana no entin’ity tovovavy ity sy ireo mpitendriny.

Partager sur: