Manohy ny mpandimby: Hankalaza ny faha-60 taona ny Ny Voanio

Raha ny taona nanombohan’ny tarika, ny 1965, feno 60 taona izany ny tarika Ny Voanio. Hira tranainy, kalon’ny fahiny, toa ny vao omaly nefa mbola heno amin’izao fotoana ihany. Ny antony? Nahay nametraka holovaina ny tarika, ary nifandovana izany. Feno 60 taona izao ny nisian’ny tarika Ny Voanio. Nanamarika ny tarika ny tao Toamasina, araka ny anarana nosafidian’izy ireo, na tsy avy any aza no fiavian’ireo mpikambana. Ho porofon’izany, mbola manohy ilay kolontsaina, ilay lalantsaina nentin’ny tarika ireo taranaka.
Hisy ny seho izay hotontonsain’izy ireo ny 24 aogositra izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Taranaky ny Voanio, hanohy, hamelona, hampandrary ireo hira nentin’ireo raimandreny. «Tsy hanova ny rindra, ny rafitra ary ny fanahin’ireo hira izay navelan’ireo raiamandreninay izahay», hoy ny nambaran’i Holy, mpihira zanak’i Clarisse.
Hira 32, notsongaina manokana, izay nahafantarana ny Voanio hatramin’izay no hataon’ny tarika amin’io fotoana io. Ireo hira rehetra nanamarika ny tarika, hatrany Toamasina ka nanerana an’i Madagasikara, eny hatrany ivelany, no haverin’izy ireo mandritra izany. Fotoana hanehoan’ireo taranaka ihany koa fa sady mamelo-maso no nandimby talenta izy ireo, ary afaka mitondra avo ny anaran’ireo raiamandreny.

Zo ny Aina

Partager sur: