Mitoetra ny lazan’ny tarika Iraimbilanja. Feno hipoka ny Food Courts La City ny alin’ny zoma teo. Porofo indray iny fa mbola be mpankafy ry Niry sy ny tariny, ary tsy mbola ho ato ho ato no ho lefy izany. Nahitana karazan-taona tsinona, fa tsy hoe ireo mitovy taona amin-dry zalahy ihany no nanatrika ny seho izay notontosain’ny Iraimbilanja. Notetezin-dry zalahy an-kira ireo vanim-potoana nanamarika ny tantarany, tao anatin’ny 45 taona teo ho eo.
Hotontosaina ny 12 jolay izao ny fifantenana izay ho «Miss» sy «Mister» mandritra ny «Festival Dona Be», hatao any Antsohihy. Ao amin’ny Terrain Bruce no hanaovana izany, izay arahina fandihizana hafanain’i Dj Ael sy Odilon Bacille. Ny 19 jolay kosa no hanaovana ny famaranana, ka hahazo fivahinianana any Nosy Be iantohana ny rehetra, miampy lelavola fanampiny ireo telo voalohany isan-tsokajy. Ankoatra izay ny fisongadinana mandritra ny hetsika izay hotontsaina ny 24 hatramin’ny 27 jolay izao.




