Ampahany vitsy amin’ny mpianatra sisa no mamita ny taom-pianarana 2024-2025. Saika efa ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny ankamaroany. Manomboka hita etsy sy eroa ny fampianarana zavakanto ao anatin’io vanim-potoana io. Tsara ny voataiza miaraka amin’ny zavakanto, saingy ratsy ny fanaovana tery vay manta. Ao anatin’ny 2 volana latsaka, hahay mitendry zavamaneno ny ankizy iray? Eo rahateo ireo doka ataon’ny mpampianatra sasany ho mahavita izany. Roboka ny ray aman-dreny… Maro ireo voafitaka sy diso fanantenana. Tsy ilay mpampianatra na ny mpianatra no mahay na tsia, fa ny fotoana no fohy loatra. Ny famaritana na ny fiheverana ny hoe « mahay » rahateo samihafa.
Ny ray aman-dreny, mikatsaka izay hahasoa ny zanany. Ny mpampianatra zavakanto mitady izay hampivelarana ny talentany sy ny soa tokony ho azony avy amin’ izany. Ilay fanazavana na fifanazavana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany no tokony homena lanja mialoha ny hanombohan’ilay fianarana.
Vitsy ihany anefa no mahavita izany, hany ka ilay mpianatra no hiharan’ny tery vay manta ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra. Iray amin’ny fampanantenana tokony homen’ny mpampianatra zavakanto mandritra ny fotoam-pialantsasatra ny hoe: « hanana ny fototra hoentiny mianatra sy manatevina ary hikaroka irery izy rehefa vita ny fianarany ».
HaRy Razafindrakoto




