Anisan’ny mpanohana ireo hetsika ara-kolontsaina marolafy eto ny Fikambanan’ny firenena mampiasa ny teny frantsay (OIF). Hiverina indray izany, ary hahakasika sehatra maro.
Vaovao tsara ho an’ny tontolon’ny kolontsaina eto Madagasikara. Hiverina ireo fanohanana hataon’ ny Fikambanan’ny firenena mampiasa ny teny frantsay, na OIF. Fantatra izany nandritra ny fitsidihana nataon’ny masoivoho vaovaon’ny OIF aty amin’ny ranomasimbe Indianina, Train Laurentiu Hristea, ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mara Volamiranty Donna, omaly, tetsy Nanisana. Voaresaka manokana, nandritra izany, ny fanampiana ireo “festivals” isam-paritra. Efa nisy izy io taloha, ary tena nampiroborobo ireo hetsika ara-kolontsaina manerana ny faritra maro. Anisan’ireny ny “Festival Donia”, izay notohanan’ny OIF nandritra ny taona maro, ka afaka nanafatra tarika maromaro avy amin’ireo Nosy manodidina aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, tamin’izany fotoana. Afaka mivelatra kokoa, ka hifantoka amin’ny maha hetsika ho fampiroboroboana ny kolontsaina azy mantsy ny “festival” iray, raha misy fanohanana toa izao. Mba tsy ho ny sehon’ny mpanakanto izay fidiram-bola no mahazo laka, ka sarona ao anatiny ilay lalantsaina hanandratra ny sehatra rehetra.
Tao anaty lahadinika ihany koa ny mahakasika ny fampiroboroboana ny vakiboky. Hotohanan’ny OIF ihany koa ireo “Centre de lecture et d’animation culturelle” na Clac, izay rantsa-mangaikan’ ny Tranombokim-pirenena manerana ireo faritra maro. Ny Clac no tranomboky manakaiky vahoaka indrindra, manampy betsaka ireo ankizy sy tanora any amin’ny faritra ambanivohitra, liana amin’ny boky sy ny fikarohana.
Voaresaka ihany koa ny mahakasika ilay “Satan’ny mpanakanto”, efa novolavolaina ela ary hiditra amin’ny dingana farany mialoha ny fampiharana azy.
Eo amin’ny lafiny serasera kosa, nifanakalozana hevitra ny fomba hiadiana amin’ny famoahana vaovao iniana disoina. Vonona ny hifanampy amin’ny fanabeazana ho an’ ny fampahalam-baovao ny OIF, amin’ny alalan’ireo karazam-piofanana ho an’ny matihanina amin’ny serasera. Vaovao mahavelombolo ny rehetra voakasiky ny sehatra ireo, amin’ny maha mpanohana lehibe ity fikambanana ity.
Zo ny Aina




