Hainahandro : Tafatsangana ny « Solidarité mignon »

Tafiditra ao anatin’ny ko­lontsaina sy zavakanto mampiavaka ny toerana na faritra na firenena iray ny hainahandro. Fantatra fa tafatsangana ny fikambanan’ny mpianatra hainahadro « Solidarité mig­non ». Sehatra ampivondronana ireo mpianatra nandalo tamin’ny fanofanana nomen’ny Chef Tsiry Razafima­monjy. Ankoatra ny fampianarana sy fifanakalozana amin’ny fahaiza-mahandro, eo amin’ny tsirairay, napetraka ho zava-dehibe ny firaisankina sy ny fifankatiavana ary ny firahalahiana.
Ho fanatanterahina ireo tanjona ireo. Nisy ny hetsika notanterahin’ny « Solidarité mignon » ho fanampiana ny ivontoerana Orphelinat Felana Maitso eny Ambohibao Mo­rondava. Asa sosialy, santatra, notontosaina ny 22 jona teo. Nanolotra vary, « macaroni », sira, siramamy, menaka, savony, « couche », tsaramaso, arendrina, sns, ho an’ireo zaza kamboty sy ny ankizy narian’ny ray sy ny reniny (3 volana ka hatramin’ny 18 taona) izay tezaina sy beazina ao amin’ity ivontoerana ity, ny « solidarité mignon ».
Nohamafisin’ireto mpianatra hainahandro ireto fa tafiditra ao anatin’ny ezaka sy dingana ary fomba fiasa hotanterahin’izy ireo hatrany ny hizara fitiavana ho an’ireo niangaran’ny vintana. Eo ihany koa ny fifampitsinjovana eo amin’ny maha olona izay anisan’ny antony ijoroan’ny « Solidarité mignon ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: