Taom-pianarana 2025-2026: Ankilabao hatrany ny teny malagasy

Hiditra amin’ny taom-pianarana 2025-2026… Mbola tsy tafapetraka ny fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-mampianatra. Tsy mbola misy didy na lalana na hitsivolana, sns, milaza izany. Ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina milaza fa « tsy misy firenena handroso avy amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa hoenti-manabe ny taranany ». Ny lamina voajanahary, hain’ny Malagasy sady narahiny fatratra efa hatrany ambadik’Imanareza, ny fahafantarana fa ny teny malagasy no hoenti-manabe ny taranaka mba hahatonga azy ho olom-banona. Sehetra roa goavana be ireo mametraka mazava fa mila beazina amin’ny tenin-drazany ny olombelona iray.
… Iray amin’ireo tarazo navelan’ny mpanjakazaka an-tanin’olona any amin’ny firenena giazany ny fametrahana ny teniny ho lasa tenin’ny voazanaka. Levonina tanteraka ny tenin-drazana mba tsy ahafantaran’ny taranaka aty aoriana fa manana ny maha izy azy izy. Raha io tranga io no mitohy, « afaka 15 taona raha ela indrindra, ho vahiny eto amin’ny taniny ny Malagasy. Ho lasan’ny vahiny ity Nosy ity », hoy ny mpahay sy mpandinika momba ny fiarahamonina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: