Hetsika famoaham-boky nosoratan’i Gaëtan Andria. « Pao-droa » sady antsa tononkalo no hianoka ao anatin’ny teatra poetika. Seho hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hanatanteraka izany i Mamisa, Fahasoavana, Mariah, Fy, Ando, Wany.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara ny taranja malagasy. Hatramin’izao, anefa, mbola ahitana lesoka goavana be aminy. Ny tsy fahampian’ny ora ianarana azy. Faharoa, mila ovaina ifotony ny mandrafitra ilay taranja. Omena lanja bebe kokoa ny fianarana ny fitsipi-pitenenana, ireo fomba amam-panao malagasy, ny famolahana ny lela hahay hamoaka hevitra amina fotom-pisainana malagasy manaja ny soatoavina.
Taona 2025, tsy mbola voafaritry ny Malagasy ihany ny atao hoe : « tsara ». Raha ny tantara sy ny angano tany ambadik’Imanareza, anefa, efa nahafantatra ny « tsara » sy ny « ratsy » ny Ntaolo. Izany hoe, very tsy eo amin’ny Malagasy intsony ny fahalalana sy ny fahaizana manavaka azy ireo. Maro ny antony niteraka izany fa ny misongadina, nihena tsikelikely ny atao hoe « fahendrena » ananan’ny Malagasy. Nidina ihany koa ny fahalalany.
Harena ny fahasamihafana. Manana kolontsaina sy zavakanto maro i Madagasikara. Samy afaka atolotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa izy ireny. Dingana mila arahin’ny mpanakanto sy ny tontolon’ny kanto eto an-toerana ny fahaiza-mamolaka io sehatra ivelany io. Noho izany, vaindohan’ezak’izay vonona hiroso amin’ny fandraharahana amin’ny kolontsaina sy zavakanto ny mianatra sy manatevim-pahalalana.




