Heni-boninahitra… Mendrika ka nosalorana ny mari-boninahi-pirenena, Officier de l’Ordre National Malagasy i Zoza Sahondrafinina Zanany, omaly. Fahavelony, efa nahazo ny Chevalier de l’ordre national Malagasy izy, ary nahazo ihany koa ny mari-boninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Ho fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin’ny sehatry ny hiragasy no nanomezan’ny fitondram-panjakana izao mariboninahitra izao, ka ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina no nampisalotra izany.
Nosafidiana manokana ny kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha nanaovana ny fanomezam-boninahitra, satria mitondra ny anaran’ny vadiny, Ra Petit ihany koa io kianja io. Samy nametraka ny anarany izy ireo, toy ireo raiamandreny efa lasa taloha nitondra avy ny hiragasy.
Tsiahivina fa ny sabotsy izao no alevina i Zoza Sahondrafinina zanany, any Andohavary Amboanana, izay tanàna fiavian’ireo mpanao hira gasy malaza.
Zo nyAina




