Nampahafantarina tetsy Ambodivona, omaly, ny tolotra vaovaon’ny Canal Plus dia ny Netflix izany. Ny volana jona teo, nanao fifanarahana stratejika tamin’ny Netflix ny vondrona Canal Plus. Fiaraha-miasa miforona eto Madagasikara hahazoan’ny mpanjifa misitraka mivantana ny Netflix, amin’ny alalan’ny famandrihana misy ny traikefa tsotra sy mora. Hanamarihina izany fanombohana izany, manome ny endrika vaovao sy raiki-pohy ho an’ny sehatra rehetra ny Canal Plus, hahitana televiziona miisa 160 ka tafiditra ao ny onjam-peo sy ny asa isan-karazany. Tsy hadino ireo tolotra avo lenta, hahitana ny fanatanjahantena, ny sarimihetsika, ny fandaharana ho an’ny fianakaviana sy ny tantara mitohy. Izany rehetra izany, dia ao anatin’ny rafitry ny Netflix, miaraka amin’ireo andian-tantara malaza, toy ny Squid Game (Saison 3), ny «Emily in Paris» sy ny Stranger Things.
Eo koa ny DSTV English Plus, misy televiziona efatra mandefa fanatanjahantena rano fotsiny. Natao amin’ny vidiny 130 000 Ar izany, mba hamaly ny filan’ny mpanjifa, amin’ny zavatra samihafa ilainy. «Mitady zavatra misy traikefa feno ao anatin’ny tontolo mahafinaritra ny mpanjifanay ka ity tolotra vaovao Canal Plus ity, no mamaly ny hetahetan’izy ireo», hoy i Aziz Diallo, tale jeneralin’ny Pay TV Afrique francophone.
Torcelin




