Hivoaka anio ny boky vaovao, « Hatsarana hafakely, nos jolies différences ». Nosoratan’i Valisoa izy ity, izay nohaingoan’i Owl Fens sary, ary navoakan’ny Éditions Karné. Maneho ny fahasamihafana anatin’ny fiarahamonina, izay mampiavaka ny tsirairay ka hanomezana fahatokisan-tena ny ankizy, izay natao hamaky azy ny boky. Hisy ny fihaonana amin’ny mpanoratra sy ny mpamokatra ny boky amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny Daily Leader Price Ankorondrano.
Hampahalala ny fandaharam-potoany ny tarika Da Hopp. Hihaona amin’ny mpanao gazety ny tarika rahampitso alahady, eny amin’ny Hôtel Panorama Andrainarivo. Ireo tetikasan’ny tarika manokana sy ireo iarahany amin’ny namana hafa no hovelabelarina mandritra izany. Arahina fampisehoana kely ny fotoana, izay iarahan’ny Da Hopp sy ny groupe Fab. Mazava loatra fa fanombohana fiaraha-miasa koa io.
Handray anjara amin’ny « Festival Rebeke » ny Olombelo Ricky. Vaovao lehibe nambaran’i Tsimiholy, mpikarakara ny hetsika io, omaly. Sambany ho any Tsihombe ny tarika Olombelo Ricky. Sambany ihany koa ho an’ny hetsika izany, noho ny fihavanana eo amin’ny samy mpanakanto. Hotontosaina ny 28 hatramin’ny 30 aogositra izao ny hetsika. Mbola maro ireo mpanakanto nasain’i Tsimiholy, ankoatra ireo zanaky ny faritra.




