Fivelaran’ny zavakanto: Mbola miankindoha amin’ny vahiny ny Malagasy

Mandray anjara goavana amin’ny fampivelarana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny vahiny. Foibe na trano kolotoraly vahiny no saika ampiasain’ireo mpanakanto malagasy raha te hampahafantatra ny momba azy sy ny kanto ataony. Herin-taona mahery mialoha ny fotoana hanatanterahina ilay seho, efa feno ny fandaharam-potoanan’ireo foibe vahiny ireny. Porofo iray manamafy fa mbola miankindoha amin’ny vahiny ny zavakanto malagasy. Ireo « hetsika » kolontsaina sy zavakanto lehibe. Saika ny vahiny avokoa no manohana izany ao anaty tetikasa isan-karazany. Manome ireo karazam-panampiana toy ny vola, fitaovana, olona (teknisianina)…
Fanampiana misy takalony ? Na tsy mivantana aza, misy ihany ireo karazana takalo amin’ireny endrika fa­nampiana ireny. « Amboa­rinay ny trano famakiam-boky eto aminareo… Fa, anisan’ny omena lanja ao ny boky voasoratra amin’ny teny… ». Miezaka manarona ny tahaka ireny ny Malagasy ka milaza fa : « tsy tsara kalitao loatra ireo boky navoaka teto an-toerana ka rariny raha omentsika vahana mba ho fakan-tahaka ireo natonta avy any ivelany ».
Tranga tahaka izany, ma­tetika, no miteraka fiankinan-doha amin’ny vahiny. Manana fifamatorana lehibe ny toekarena sy ny fampivelarana ny kolontsaina… Na eo aza izany, mitaky ezaka amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny hampivelatra azy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: