Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-161 ny « concert de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Rahampitso, manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely izany. Hanatanteraka seho tsy manam-paharoa ry zareo avy ao amin’ny Icanto tarihin’i Fitah Rasendrahasina. Haneho ny fahaizana mampiara-peo mandritra izany izy ireo. Hitendry ny piano i Antsa Ratsimba.
Hitety izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fihirana ny sanganasan’ireo andrarezina eo amin’ny tontolon’ny mozika maneran-tany izy ireo. Anisan’ireny ny famoronana nataon’i Palestrina, Alonso Lobo, Thomas Tallis, Peter Anglea, Lalo Schifrin, Juan Carlos Calderon … Marihina fa iray amin’ireo manana traikefa matanjaka amin’ny mozika klasika ny Icanto.
Tsiahivina fa iray amin’ireo antom-pisian’ny « concert de midi » ny hampiala voly ireo tsy afaka ny manao izany isaky ny faran’ny herinandro noho ny antony samihafa. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny tontolon’ny mozika klasika.
HaRy Razafindrakoto




