Azo antoka fa ho maro ny mpijery ho tonga… Mpanakanto sy tarika andrarezina rahateo no hiakatra ny sehatra…
Raha teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina no saika nanatontosana ilay seho « Concert hommage ». Nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hafindra eny amin’ny Coliseum Antsonjombe izany. Notazonina hatrany ihany koa ny maha maimaimpoana tsy misy vidim-pidirana azy. « Concert hommage », hotanterahina ny 18 jolay manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Tarika sy mpanakanto andrarezina no hifandimby hiaka-tsehatra amin’io fotoana io. Rossy, Jaojoby, Mily Clément, Da Hopp, Samoela, ry zareo mpikosoka kapila na « DJ » avy ao amin’ny RDJ’S Team. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-25 taonan’ny Vision Madagascar (Vima) ity « Concert hommage » ity. Fampisehoana ahatsiarovana ireo niharam-boina tamin’ny fianjeran’ilay fiaramanidina DC-3, ny 18 jolay 1995 sy fankalazana ny « Nelson Mandela day ».
Nambaran’i Mily Clément fa « karazana fiverenana lehibe ho an’i Mily Clément ity fampisehoana goavana ity, satria, somary hadinodino kely ny artista. Antony isaoraka lehibe ny mpikarakara rehetra… Vonona izahay, ianareo sisa no andrasana ».
Tsiahivina fa ny 10 novambra 2009 no nanambaran’ny Unesco fa isaky ny 18 jolay no hankalazana ny « Nelson Mandela day ». Ny 18 jolay 2010, fanamarihana voalohany. Fotoana nifanitsy tamin’ny faha-92 taonan’ity mpitari-tolona ho an’ny fitoviana sy fandriam-pahalemana ity. Nitolona fatratra tamin’ny fanafoanana ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny mety tranga haterak’izany eo amin’ny fiarahamonina. « Nelson Mandela day », manokana 67 minitra ny tsirairay amin’ny fanatanterahina asa iombonana, ho mariky ny 67 taona nikatsahan’i Nelson Mandela ny fitoviana, firahalahiana (fihavanana) ary ny hisandratan’ny fahasamihafan’ny kolontsaina.
HaRy Razafindrakoto




