183 no nandray anjara, 65 no tafakatra tamin’ny fijerena ireo « videos » nalefan’ny mpifaninana. Niatrika nivantana ireo mpitsara, nandritra ny dingana voalohany izy ireo, ny sabotsy teo. Ny hira izay nataon’ireo mpifaninana tany amin’ny « vidéos » na nahalany azy ihany no naverina nandritra izany. Taorian’ny fisedrana ny sehatra nataon’ny mpifaninana rehetra, nivoaka avy hatrany ny naotin’ny mpitsara : 40 indray no noraisina hiatrika ny dingana faharoa.
Hotontosaina ny sabotsy 19 jolay izao ny dingana faharoa, eny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy, hatrany. Samy hisafidy izay hira hataony, hentiny handresen-dahatra ireo mpitsara ireo mpifaninana ireo. « Malalaka be ny mpifaninana amin’ ny safidiny, saingy arakaraka izay homaniny eo no hanomezana naoty azy », hoy i Hiary Rapanoelina, tale ara-javakanton’ny « Tafan-gilita ». « Tena efa samy henjana ireo mpifaninana noraisina voalohany, ary vao mainka hiakatra lenta izany amin’ny dingana faharoa. Arakararaka ny fitambaran’ny naoty azon’ny mpifaninana avy aminay mpitsara tsirairay no hiakarany na tsia », hoy kosa i Mbola Talenta, iray amin’ireo mpitsara. Manampy azy amin’izany i Jovin, Tojo Guitariste ary i Teddy. Ho avy hifanotrona sy hanome voninahitra ny dingana faharoa kosa i Dama.
Tsiahivina fa azo jerena mivantana ny fifanintsanana, na dia haka endrika fandaharana amin’ny fahitalavitra aza izany. Handeha amin’ny TVM sy ny Real TV ny fandaharana faharoa, ny faran’ny herinandro izao.
Zo ny Aina




