Mahoraka sy mandeha indray aloha izao ny famonoana ankolaka ny mpitondra fanjakana, indrindra fa ny manao ny tsara sy ny mandeha mahitsy araka ny tokony ho izy. Potehina sy atao tsinontsinona ny ezaka sy asa vita ary ny vokatra azo rehefa tsy miditra amin’ny fomba maloto mahazatra ny ankamaroany. Tena tsy mandry andro tsy mandry alina fa mikatsaka ombieniombieny ny hisomparana ry maloto tanana.
Mahatonga saina mihitsy ilay zava-miseho amin’ireto mpanao politika ireto. Tsy izay hampandeha sy hampandroso araka ny toromarika sy ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika no manahirana fa ny fomba aminganana izay vonon-kiroso sy hampandroso. Ny mpisolelaka sy ny mora hahodin-doha amin-javatra tsy manjary no homen-danja. Takonana ny tsara fa asongadina ny ratsy sy ny tsy mahafehy ilay asa.
Tsy mahagaga raha mbola toy izao foana ity Madagasikarantsika ity. Hatao ny fomba rehetra hiverenena midina. Izay finiavana ataon’ilay mpitarika dia ny ao anatiny ihany no manatsatso. Tsy mahay mankasitraka sy mampitovy tadindokanga ho amin’ny tsara sy ny tombontsoa iaraha-manana. Baikoan’ny fitiavan-tena sy ny fikatsahana harena amam-boninahitra ny ankamaroany ka manao kely tsy mba mamindro.
Tena mahatsiravina ny filalaovana politika eto amin’ny tanàna. Mila miara-mirona any amin’ny ratsy avokoa izany dia miara-tafita anaty faharatsiana vao azo ekena amin’ny firenena. Ny indrokely, toa misy fanekena faobe ny zavatra tsy mandeha. Ny vahoaka noheverina ho lasibatra no mpanenjika voalohany izay tena miasa ho “miseho milay”. Izy no manasoaso ny mpamorika firenena, asa izay ilay tratran’ny be manaiky?
Dia samy miandry eto izany koa, satria izay nafafy ihany tokoa hono no hojinjaina!
r.r




