Mitohy ny fampahafantarana. « Ilay poeta marolafy » no lohahevitry ny fampirantiana, izay hotontosaina etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, manomboka rahampitso 17 jolay, amin’ny 10 ora sy sasany maraina. Fampahalalana bebe kokoa hatrany an’i Randja Zanamihoatra, indrindra ireo asa sorany izany. Misy ireo nivoaka an-gazety tamin’izany fotoana, misy ireo voarakitra ho boky, saingy maro koa ireo tsy mbola fantatry ny besinimaro. Nanapa-kevitra ny kaomity mpikarakara ny faha-100 taonany sy ny fianakaviana, fa havoaka ho fantatry ny besinimaro izy ireny, mba hipetraka ho lova ho an’ny taranaka mpandala ny literatiora amin’ny ankapobeny, sy ny sanganasan’i Randja Zanamihoatra manokana.
« Randja, ilay poeta marolafy » ihany koa ny lohahevitra ny antsa tononkalo hotontosaina ny sabotsy 19 jolay izao, amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy ihany. Ankoatra ny fampirantiana mantsy, hisy hetsika hafa manodidina izany. Anisany, ohatra, ny velakevitra izay hoentin’i Diadema, ny talata 23 jolay amin’ny 13 ora maraina. « Ny fahitako an’i Randja Zanamihoatra sy ny asa sorany » no hovelabelariny mandritra izany. « Ny tsiambaratelony, hita taratra ao amin’ny « Sompitra Randja Zanamihoatra » kosa no hovoaboasan’ny Dr Radanielina Radoheninjo, mpampianatra, ny alarobia 30 jolay amin’ny 2 ora.
Zo ny Aina




