Handefa sarimihetsika hifaninana mandritra ny « Academy Awards » i Madagasikara. Araka izany, manao antso avo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika ny kaomity misahana ny fisafidianana, mba handefa ny antontan-taratasiny. Alefa mailaka amin’ny malagasycinema@gmail.com ny mombamomba ny sarimihetsika sy ny trano mpamokatra maniry hifaninanana, mialoha ny 15 aogositra 2025. Ireo sarimihetsika lava nivoaka teo anelanelan’ny 1 oktobra 2024 hatramin’ny 15 aogositra 2025, ka novokarina malagasy no afaka mandray anjara.
Fomba amam-panao anaty ririnina. Famadihan-drazana, famorana. Ambara ombieny ny fiverenana any amin’ny fototra. Anisan’izany ny fanatanterahina azy ireo. Saingy, mbola mitoetra ho olana saro-bahana hatrany ny fanelingelenana vokatr’izany. Zava-tsaropady tamin’ny Malagasy no fifanajana ao anatin’ny fiarahamonina. Io toetra tany ifotony io ihany koa no mila haverina. Fahiny, famadian-drazana narahina hiragasy na vakodrazana tontosaina amin’ny atoandro. Famoran-jaza tsy nibahanana lalana iarahana mampiasa !
Mitondra vitrika ho an’ny mpanakanto ny fisian’ny fifaninanana. Mila hamaroina izy io ka tsy voatery ho sehatra goavana, na loka lehibe no andrasana fa ilay finiavana hanatsara ny kanto vita. Hatramin’izao, tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy ny manatanteraka io fifaninanana io. Na, raha misy, « hafahafa » ny valiny mivoaka avy eo. Maro ny manan-talenta. Tsy vitsy ireo nianatra. Fitaratra ho an’ny hafa izy ireny raha toa ka asongadin’ny valim-pifaninanana ny talentany. Na eo anivon’ny ankohonana aza, azo atao tsara ny mampifaninana ny ankizy, amin’ny zavakanto.




